Voalohany indrindra aloha dia asaina ny tany eo ny volana jolay; averina asaina indray rehefa hamboly : volana novambra.
Potehina ny bainga , atao ny lakan-drano , hafafy ny zezika (zezik'omby na zezika kisoa), fahitra kosa raha manta ny tany raha ilaina izany.
Homanina ny masimboly, 4 katramin'ny 7 ny tsara arotsaka isaky ny lavaka.
Miava in-telo:
Voalohany, 15 => 25 andro
Faharoa, 40 => 60 andro
Fahatelo, manongotra ahitra manomboka eo amin'ny 60 andro.
Fitaovana entina miava vary: "Charculeuse" raha vary manara-tady no nosafidiana natao ary "angady" kosa raha saritaka.
Miandry ny fahamasahany ho mavo matoy tsara
Ary farany dia jinjaina ilay vary, ahazina mba tsy ho simba, kororohina mba hadio
NB:
* Ny zezika dia afaka hafafy eo anelanelan'ny asa voalohany sy faharoa , na alohan'ny hamboly, na alohan'ny fiavana voalohany.
* Misy 3 volana sy 5 volana ny vary an-tanety.
Fambolena vary an-tanimbary
Misy fotoam-pambolena in-droa eto amin'ny eto amin'ny faritra afivoan-tany dia amin'ny:
Volana jona ny fotoana fanetsana
Volana oktobra ny fotoana fanetsana manaraka
Ny karazam-bary dia maro ka 100 andro makany ny vokatra.
Ny fikarakarana dia mitovy hatrany:
Asaina ny taniketsa
Diovina ny tahala (sisin-taniketsa)
Lomana rano , hosena(potehina) na mandemy ny tany
Haravona
Asiana lakan-drano ny sisiny na hoe lalan'ny tsiboboika
Hafafy ny masomboly efa voafantina raha ara-teknika: 1 kapoaka isaky ny 1 metatra tora-droa, raha ny mahazatra dia izay no vary mahafeno ny taniketsa.
Andrasina ny fotoana mahalava izany ary afindra amin'ny tanimbary tokony hisy azy.
Fikarakarana tanimbary
Hasaina , ragiragiana, diovina ny tahala, alefa ny rano, averina asa faharoa, ragiragiana ho halemy tsara, haravona mba hitovy tantana, manetsa (sady: ketsa manara-tady na ketsa saritaka),
miava in-3 ka atao tanana raha saritaka fa raha manara-tady kosa dia ny in-2 afaka atao amin'ny "Charculeuse" ary ny fahatelo dia atao tanana, manetsa , mijinja.